♦ Minisitra sivy ihany no vaovao ao anatin'ny Governemanta fahefatry ny Praiminisitra Ntsay Christian. Voatana avokoa ny ankamaroan'ireo minisitra teo aloha... ♦ Tsy ampy fotsiny ny fampidirana am-ponja olona, fa mila averina ireo vola be nolanilaniam-poana eo anivon'ny CNaPS, hoy ny Randrana Sendikaly... ♦ Manome roa andro hamoahana ny "indemnité de technicité" roa volana ny sendikan'ny mpandraharaha sy ny mpiasan'ny Oniversiten'Antananarivo. Nilaza tsy handefitra intsony fa hiroso amin'ny fitokonana faobe izy ireo, raha tsy voaloa ireo tambikarama ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...