♦ Nahazo vola 10 tapitrisa dolara mahery, fiantohana amin'ny rivodoza i Madagasikara, vola tsy averina hoy ny praiministra, Ntsay Christian... ♦ Miisa 15 ireo namoy ny ainy vokatry ny rivodoza Emnati raha ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC omaly hariva... ♦ Hivoaka tsy ho ela ny fanapahan-kevitra raisin'ireo ministera telo nomen'ny filoham-pirenena toromarika, amin'izay rehetra hatao amin'ny fisokafan'ny fitanterana an'habakabaka amin'ny 05 marsa 2022...
♦ Manaja ny tsy fiandaniana i Madagasikara manoloana ny ady eo amin'i Russie sy Ukraine, hoy ny Praiministra, raha naneho hevitra izy, tao aorian'ny ady sisika nataon'ny diplaomaty samihafa misarika antsika hanohana izay tohanany... ♦ Tokony hatao laharam-pahamehana ny fiaraha-midinika hikatsahana fitoniana eto amin'ny firenena mialoha ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny CFM... ♦ Nozaraina nanaomboka androany, hatramin'ny zoma ho avy izao ny karatra ampiasain'ny mpianatra eny amin'ny sekoly Polytechnique Vontovorona, ahafahana mandray ny vatsim-pianarana...
♦ Miantso ny fitondrana malagasy tsy hiandany amin'ny atsy na ny eroa ny Antoko Politika Madio, manoloana ny antso ataon'ireo masoivoho vahiny amin'ny raharaha any Ukraine, tokony hitady vahaolana amin'ny toe-karem-pirenena sahady hoy ny APM... ♦ Raikitra nanomboka ny antoandro teo ny fitokonan'ny mpianatry ny Polytechnique Vontovorona. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filamaninana hifehy ny hetsika... ♦ Natolotra ny fampanoavana omaly ireo olona roa voarohirohy tamin'ilay fanapahan-doha zazavavikely roa tany Ambatondrazaka, efa nahiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany izy ireo...
♦ Mamporisika ankolaka an'i Madagasikara mba hanameloka ny fanafihana ataon'i Rosia an'i Ukraine ireo masoivoho vahiny tandrefana miasa eto amintsika, nihaona tamin'ny ministry ny raharaham-bahiny malagasy ihany koa anefa ny masoivoho Rosiana... ♦ Nitombo 1,91% ny isan'ireo olom-pirenena tafiditra ao amin'ny lisitry ny mpifidy 2022... ♦ Hikarakara filaharam-be mitety tanàna ny vondrona Miaro ny Zon'ny Mpanjifa amin'ny 15 marsa izao, ho fanairana ny fanjakana amin'ny fidangan'ny vidim-piainana...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco