♦ Mikasa hanolotra tolo-dalana hanitsiana sy hanamorana ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ireo olom-panjakana ambony izay voasaringotra eny amin'ny Fitsara Avo, ny Solombavam-bahoaka Rivotina Jean Bosco... ♦ Efa nalefa eny amin'ny Fiadidiana ny Repoblika ny vokatry ny fitsirihana tamin'ireo orinasa nikojakoja ny lalana. Ireo orinasa nahafeno ny fepetra notakiana ihany anefa no hisitraka ny vola, hoy ny Minisitry ny Asa Vaventy... ♦ Marobe ireo trangan-doza am-prerinasa na aretina vokatry ny asa, any amin'ny faritra avaratry ny nosy...

♦ Tombanana ho hatrany amin'ny 13 tapitrisa mahery ny olom-pirenena ho tafiditra ao anatin'ny lisi-pifidianana, ao aorian'ny fanavaozana tanteraka izay atao, nanomboka tamin'ny 11 mey 2022 ary tsy hifarana raha tsy amin'ny 10 jona 2023... ♦ Ho vitaina mialoha ny  volana jolay amin'ny taona ho avy ny 80 km amin'ilay lalam-be migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina. Hatomboka amin'ny fomba ôfisialy amin'ny 17 jolay 2022 kosa ny fanamboaraha ny Lalam-pirenena faha-13...

♦ Isan'ny mampirongatra ny ady tany eto Madagasikara ny fitsarana miangatra sy mitanila hoy ny filohan'ny vaomiera misahana ny fananan-tany eny amin'ny antenimieram-pirenena Naivo Raholidinina. Andro faharoa amin'ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany ny androany... ♦ Nahitam-bokany ny ezaka nataon'ny mpitandro filaminana ao Fianarantsoa. Tratra ireo jiolahy nampahory ny vahoaka efa nokarohana nandritra ny herintaona... ♦ Nisokatra ny faha enin'ny volana jona teo ny taom-pihotazana sy fanangonana ary ny famarotana na anatiny na ivelany ny lojy mainty maso na ny Black Eyes any amin'ny Faritra Boeny...

♦ Notanterahana omaly tao Morondava ny lamesa fisaorana an'Andriamanitra ho fialan-tsasatry ny fanahin'ny Eveka Emeriten'ny Diosezin'i Morondava Mgr Donald Pelettier, nodimandry tany Etazonia ny Alahady teo... ♦ Namoaka boky tsangambaton'ny faha-50 taona niorenan'ny Faritra Jésuites eto Madagasikara ny fikambanan'i Jesoa eto amintsika... ♦ Miantso an'ireo ministra tompon'andraikitra handrava ny tambazotran'ny mpangala-tany eto Madagsikara ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany, nanomboka omaly ary hifarana rahampitso...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...