♦ Nodimandry androany maraina ny Evekan'Antsirabe, Mgr Philippe Ranaivomanana. Ny alakamisy tolakandro izao no hotanterahana ny Lamesa fisaorana an'Andriamanitra sy ny fanaovam-beloma azy... ♦ Tokony hisy fanadihadiana mahaleo tena hatao ao anatin'ny fotoana fohy ny raharaha tany Ikongo, hoy ny mpiandrariny miahy ny zon'ny vahoaka, Ratsirahonana Lala... ♦ Ivon'ny atrikasa notanterahan'ny OIT androany, ny momba ny dinika ara-tsosialy. Nandray anjara ny avy amin'ny Minisiteran'ny Asa, ny solontenan'ny mpampiasa ary ny sendikalista...

♦ Nodimandry androany maraina ny Evekan'Antsirabe, Mgr Philippe Ranaivomanana, noho ny tsy fahasalamàny ; araka ny fanambaràna navoakan'ny Fivondronamben'ny Eveka, manoloana izao voina mihatra izao... ♦ Naneho ny alahelony ny Federasiôna malagasin'ny baolina lavalava tamin'ny fanampiana ara-bola ny Maki Ladies hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany "rugby à 7". Tsy nahazo afa-tsy ny ampaha-efatry ny vola nangatahana, nentina nihazo an'i Cape-Town... ♦ Manahy mafy ireo mpitantana fa hihena be amin'ity taom-pianarana vaovao ity ireo mpianatra mandranto fianarana eny amin'ny sekoly tsy miankina. Misy amin'izy ireo no nampihemotra ny fidirana, noho ny fisian'ireo mbola tsy niverina nisotra anarana...

♦ Notsipahan'ny ministry ny fitsaràna ny filazana fa ny tsy fahatokisan'ny vahoaka ny fitsaràna no nahatonga ny tranga tany Ikongo. Mbola ao anatin'ny fanadihadiana ny fitondram-panjakana hoy izy... ♦ Mitokona ireo mpiasa contractuel eo anivon'ny INSTAT nanomboka omaly. Nakaton'izy ireo ny toeram-piasàny eny Anosy, ka tsy maintsy namoha ny vavahady ny tompon'andraikitra... ♦ Olona  500 no hahazo asa mendrika amin'ny fanadiovana ny lakan-drano ny Canal GR mirefy 14km ao an-drenivohitra. Tantsaha 70.000 isa ihany koa no hovoavatsy rano amin'ny tanimbarin'izy ireo amin'izao tetik'asa izao...

♦ Isan'ireo firenena telo voasokajy ho naharesy ny Covid-19 sy nahita ny vahaolana tamin'izany i Madagasikara, ka nambara teo anivon'ny Parlemantera Panafikanina ny tokony hanampiana azy, ary tokony hampidirina amin'ny lalana mihitsy izany... ♦ Olona 500 no nahazo asa mendrika amin'ny alalan'ny fanadiovana ny lakandrano "Canal GR" 14 km, izay natomboka androany... ♦ Nitokona androany, ireo mpiasa "contractuels" ao amin'ny INSTAT...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...