♦ Maro ireo ray aman-dreny nisafidy ny hampiana-janaka any amin'ny sekolim-panjakana, amin'izao taom-pianarana vaovao izao... ♦ Efa tomombana, amin'ny akapobeny, ny fiaingan'ireo tanora avy amin'ny diôsezy samihafa, hiatrika ny JMJ any Antsirabe... ♦ Notolorana 10 tapitrisa Ariary ny Ekipam-pirenena Maki vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany any Afrika Atsimo...
♦ Efa vonona eo amin'ny 90% ny fandraisana ny JMJ Mada X, izay hotanterahana any amin'ny Faritra Vakinankaratra... ♦ Miantso ny fitondram-panjakana handray andraikitra amin'ny fanomanana ireo atleta malagasy hiatrika ny Lalaon'ny Nosy hatao eto Madagasikara amin'ny taona ho avy, ny Filohan'ny Komity Olimpika Malagasy... ♦ Raim-pianakaviana iray 55 taona sy ny zanany telo lahy no nahavita nanolana zazavavy 14 taona, tany Ambilobe, araka ny tatitry ny Polism-pirenena...
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny JMJ Mada X, ny Faritra Vakinankaratra. Androany alakamisy ny no napetraka ny lapihazo sy ny "chapiteau" lehibe handraisana ny hetsika, hoy ny Governora any an-toerana... ♦ Ahiana hiverina indray ny kere any amin'ny faritra atsimo, raha tsy mahazo rotsak'orana ato anatin'ny enim-bolana farafahatarany. Nanazava momba ny ady amin'ny hanoanana any an-toerana, ny Governoran'Androy androany... ♦ Mbola tsy misy fandraisana andraikity Governemanta hatramin'izao, momba ny lalaon'ny nosy hotanterahana eto amintsika...
♦ Tanterahana ao Moramanga mandritra ny 5 andro ny atrik'asan'ny Filan-kevitra Nasiônaly ho an'ny Fanabeazana Katôlika. Manana solontena avokoa ny diôsezy manerana ny nosy. Atrik'asa andinihana ny fiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2022-2023... ♦ Hanomboka ny voalohan'ny volana septambra ho avy izao ny fikarakarana fanoratam-pahaterahana faobe ho an'ireo olom-pirenena tsy afaka nisitraka izany sy ny fanomezana kara-panondrom-pirenena ho an'ny feno 18 taona. Miisa 3 tapitrisa ny olom-pirenena hisitraka izany... ♦ Nanolo-kevitra ny handrafetana ny pôlitikan'ny harena ankibon'ny tany mialohan'ny hanaovana ny lalàna mifehy izany ny firaisamonim-pirenena...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco