♦ Nifarana androany ny dimy andro nanatanterahana ny fanadinana BEPC Katôlika tany amin'ny Diôsezy 22 manerana an'i Madagasikara... ♦ Nahazo fiara tsy mahataho-dalana miisa efatra avy amin'ny Fandaharan'as eran-tany ho an'ny Sakafo(PAM), ny Ôfisim-pirenena ho an'ny Fanjarian-tsakafo (ONN)... ♦ Manambana hitondra ireo fitaovana simban'ny delestazy eny amin'ny Biraon'ny JIRAMA ny mpiaro ny zon'ny Mpanjifa (PMH)... ♦ Nanatanteraka fitsidihana ôfisialy tany CUBA i Mgr Paul Gallagher tamin'ity herinandro ity...

♦ Mangataka vola 25 tapitrisa Ariary ny ray aman-drenin'ireo mpianatry ny Lycée Manjakandriana miisa dimy, maty an-drano, tany Mahajanga. Naneho ny heviny ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena manoloana izany... ♦ Namoaka fanambarana ny primatiora fa tsy nisy velively ny fanambarana momba ny fisian'ny disadisa eo amin'ny Antenimieran-doholona sy ny CENI, nataon'ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Tsy tokony takiana foana fa efa voafaritry ny lalàna velona eto amin'ny firenena ny tsy maintsy hanajàn'ny mpitondra Fanjakàna rehetra nifandimby ny mangarahara hoy ny solombavambahoaka Jean Jacques Rabenirina...

♦ Naneho ny heviny momba ny disadisa misy eo amin'ny CENI sy ny Antenimieran-doholona ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabeazana Olom-pirenena... ♦ Efa misy ireo orinasa mitaraina amin'ny fandaniana fanampiny noho ny delestazy ka mampihatra ny karama farafahakeliny ho an'ny mpiasa ao aminy... ♦ Mponina avy amin'ny tokantrano 150 eny amin'ny 67 Ha-Avaratra no tsy mankasitraka fanorenana trano iray eny an-toerana ka nametraka sora-baventy... ♦ Miantso ireo mpitondra Israeliana mba hanao laharam-pahamehana amin'ny fiarovana ireo hopitakt roa hany sisa mijoro ao Gaza ny OMS...

• Nivadika ho adin'andrim-panjakana ilay raharaha fanadihadiana ny Filoha Lefitry ny CENI, momba ny fivoahan'ny tolo-dalana mifehy ny fifidianana. Miantso fifampiresahana ny KMF/Cnoe, manoloana ity raharaha ity... • Miantso ireo parlementera ny Randrana Sendikaly, hanery ny fitondrana mpanatanteraka, hitady vahaolana amin'ny delestazy... • Maro loatra ireo fitarainana momba ny fandraisana mpiasam-panjakana ho an'ireo niofana tamin'ny CRINPF. Nanaotra ny hijerena izany ny Vaomiera miady amin'ny kolikoly eny anivon'ny Antenimieram-pirenena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...