♦ Isan'ireo firenena telo voasokajy ho naharesy ny Covid-19 sy nahita ny vahaolana tamin'izany i Madagasikara, ka nambara teo anivon'ny Parlemantera Panafikanina ny tokony hanampiana azy, ary tokony hampidirina amin'ny lalana mihitsy izany... ♦ Olona 500 no nahazo asa mendrika amin'ny alalan'ny fanadiovana ny lakandrano "Canal GR" 14 km, izay natomboka androany... ♦ Nitokona androany, ireo mpiasa "contractuels" ao amin'ny INSTAT...
♦ Miantso ny tanora hiaro ny vatana izay tempolin'Andriamanitra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny hafatra nataon'izy ireo ho an'ny tanora. Tsy tokony avadika ho fasana noho ny fanalan-jaza ny vatana hoy ny Eveka. Nifarana omaly ny JMJ Mada-x... ♦ Nanomboka androany ny taom-pianarana 2022-2023 eto Madagasikara. Mizara dimy ny taom-pianarana, elanelan'ny fotoana fialan-tsasatra... ♦ Azo nosorohana tsara ny savorovoro niafara tamin'ny tifitra nahafatesana olona maro tao Ikongo, hoy ny Printsy avy any an-toerana, sady mpanorina ny fikambanan'ny Zanak'Antanala eto Antananarivo, Andriamatoa Zama Johanesa...
♦ Nifarana omaly ny andro eran-tany ho an'ny tanora na ny JMJ Mada andiany faha-10 notanterahana tao Antsirabe... Any amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina indray ny JMJ manaraka amin'ny taona 2026... ♦ Velom-panantenana amin'ny ho avy ny Eglizy hoy ny Eveka malagasy mahita tanora votom-pinoana, saha maneho amin'ny fomba mendrika ny maha vavolombelon'i Kristy ao anatin'ny hatanorana. Miantso ny tanora handray andraikitra amin'ny fiaraha-monina ny fivondronamben'ny Eveka... ♦ Valan'aretina Covid-19, nahitàna tranga vaovao miisa 14 ny fitiliana natao nandritra ny herinandro farany. Eto amin'ny Faritra Analamanga avokoa ny 12 amin'ireo. Tsy nisy ny lavon'ny aretina...
♦ An-dalana mihazo an'Antsahatanteraka amin'ny alalan'ny diabe mivavaka hiatrika ny alim-bavaka anio ireo tanora mpivahiny amin'ny JMJ Mada andiany faha-10 tanterahana ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Fanadihadiana nataon'ny iraky ny RDB momba ny fizotran'ny JMJ... ♦ Nanomboka tamin'ny fomba ôfisialy tao Manakara renivohitry ny Faritra Fitovinany ny voalohan'ny volana septambra teo ny hetsika nasiônaly fanomezana kara-panondrom-pirenena sy Kopia nahaterahana ho an'ny olom-pirenena feno 18 taona no miakatra... ♦ Handray anjara amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany amin'ny baolina lavalava lalaovin'olona fito atsy Afrika-Atsimo ny Maky vehivavy. Anio alina no hanainga ho atsy Cape-Town izy ireo...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco