♦ Tsy maintsy hisy ny fifidianana amin'ity taona 2023 ity, raha ny nambaran'ny teo anivon'ny CENI, androany... ♦ Noraisin'ireo mpitsara teo anivon'ny Fitsarana Antampony, androany, sy nanoloana ny Filohan'ny Repoblika, ny fianihanan'Andriamatoa Aivo Handritiana Andrianarivelo, Filoha vaovaon'ny Banky Foiben'i Madagasikara... ♦ Miisa 1902 ny trano mora efa vitan'ny fitondram-panjakana amin'ireo 40000 nokasaina haorina. Nosarihana androany, ireo olona hisitraka ny any Imerintsiatosika...
♦ Niroso tamin'ny fanamabram-panana teny amin'ny Bianco androany, ireo tompon'andraikitra ambony, eo anivon'ny fandraharahana ny fonja... ♦ Tafakatra ho 1300 Ariary ankehitriny, ny iray kapoaka amin'ny vary, any amin'ny Kaominina Ampasinambo, Ditrikan'Ifanadiana... ♦ Tsy maintsy hisy ny fifidianana amin'ity taona ity, hoy ny CENI. Hikatona tanteraka amin'ny 10 jona 2023, ny lisitry ny mpifidy...
♦ Nitokona noho ny olan'ny famatsiana rano efa naharitra dimy volana, ny mpianatra teny Ankatso... ♦ Nanao hetsika fanairana teny Antaninarenina vokatry ny tsy nandraisany ny volany, efa ho telo volana, ireo mpandraharaha mpamatsy entana sy fitaovana ny minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana... ♦ Mangataka ny hamerenana ny fanadihadiana ireo efa-dahy voasaringotra tamin'ny halatra varira tao Amboasary Atsimo, ny fikambanana Albinos Madagascar...
♦ Telo volana tsy nandray vola ireo mpamatsy entana sy fitaovana ny minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny. Nanao hetsika fanairana izy ireo androany, rehefa nilazana fa tsy misy vola ny fanjakana fa ny karaman'ny mpiasa no laharam-pahamehana... ♦ Mitaraina ireo mpitatitra entana amin'ny RN-6, fa misy fakana vola atao amin'ny mpamily fiarabe, vao afaka miampita ilay fivilian-dalana alohan'Antsohihy... ♦ Nitokona ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny tranon'ny Oniversite eny Ankatso, noho ny fahatapahan'ny famatsian-drano amin'ny trano fonenana, efa dimy volana mahery izao...
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco