♦ Nanetriketrika ny fankalazana ny 8 marsa nanerana ny nosy omaly. Samy nanana ny endriky ny fanamarihana ny toerana samihafa, ankoatra ny hetsika ôfisialy tany Toamasina, notarihin'ny vadin'ny filoham-pirenena... ♦ Mbola vitsy ireo vehivavy sahy misehatra eo amin'ny resaka pôlitika eto Madagasikara. Vehivavy mpanao pôlitika iray no hitondra ny heviny momba ireo sakana ho azy ireo, amin'ny sehatry ny pôlitika... ♦ Nampiakarin'ireo any ifotony ny vidin'ny volamena. Nitaraina ireo mpandraharaha 6 nahazo alalana hanondrana volamena any ivelany, fa maty antoka izy ireo, vokatr'izany fanararaotana izany... ♦ Mpianatra hatrany amin'ny 300 isa no nisy naka an-keriny tany avaratra-andrefan'i Nigéria...

[audio src="/images/sounds/jma-20240309.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...