• Nanamafy androany ny Ofisy Malagasy misahana ny Akoranafo fa ampy tsy misy atahorana ny tahirin-tsolika eto amintsika. Mbola misedra olana amin'ny fahitana solika anefa ny mpanjifa... • Tsy zakan'ny vahoaka sy ny mpandraharaha misambo-bola any amin'ny banky ny tataon-ketra 20 %, alaina amin'ny zanabola. Fanehoan-kevitry ny Solombavambahoaka Ramilison Nomenjanahary... • Nihena ny voka-bary tany amin'ny Faritra Alaotra Mangoro tamin'ity taom-pamokarana ity. Noho ny fikorontanan'ny tetiandrom-pamokarana ho an'ny tantsaha any amin'ny tapany avaratra sy atsimon'ity Faritra ity no antony mahatonga izany...

• Tafakatra 16 ireo maty, vokatry ny fahapozinana ara-tsakafo tany Ambositra. Tsy fifanandrifian-javatra fa mety avy amina sakafo iray no nahatonga ny fahapozinana nitranga tato ho ato, hoy ny mpahay fiaraha-monina, Lanto Ratsida... • Nidina 200 Ariary isaky ny litatra ny vidin'ny solika fampiasa amin'ny fiara eto Madagasikara ho an'ity volana jolay ity. Sarotsarotra ny fahitana gasoil amin'ny toerana sasany eto Antananarivo. Nanazava izany ny eo anivon'ny OMH... • Lehilahy Kaomoriana iray, miampy vehivavy Malagasy iray no tratra saika hanondrana sifaka an-tsokosoko. Natao anaty valizy ireo varika ireo, nokasaina entina any Dubaï tamin'ny sidin'ny kaompania Emirates...

• Mbola tsy nisy fehin-kevitra ofisialy tapaka tamin'ny dinika faharoa momba ireo “Îles éparses”, tany Paris omaly. Nisy teboka vitsivitsy kosa nifaneken'i Frantsa sy i Madagasikara... • Mbola mandinika ny fampiharana ilay hetra 20 % amin'ny zana-bola alaina amin'ny fisamboram-bola any amin'ny banky, ny Governemanta hatramin'izao... • Nesorina tampoka tamin'ny toerany ny Ben'ny Tanana ao Bekopaka, Distrikan'Antsalova, Faritra Melaky, efa-bolana taty aoriana. Niakatra eto Antananarivo ny solontenan'ny fokonolona, tsy manaiky izao fanapahan-kevitra izao...

• Andrasana izay fehin-kevitra tapaka tamin'ny dinika momba ny “Îles éparses” tany Paris androany. Tsy tokony ho fiaraha-mitantana no ho valiny fa famerenana ireo nosy ireo amin'i Madagasikara, hoy ny Pasitera Edouard Tarahame... • Nanazava ny momba ilay fakana TVA 20 % amin'ny zana-bola aloa amin'ny fisamboram-bola any amin'ny banky, ny Minisitry ny Fitantanam-bola androany... • Ny taranja Malagasy sy ny SVT no nisantaran'ireo mpiadina maherin'ny sivy alina sy roa hetsy ny fanadinam-panjakana BEPC androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...