♦ Navoakan'ny CENI androany, ny rejisitra nasiônalin'ny fifidianana, izay hampiasaina amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena amin'ity taona ity... ♦ Hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy i Chine, sy ny fiaraha-miasa eo amin'ny samy tatsimo... ♦ Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Kôperativa ny androany. Nomena hasina manoka androany kôperativa, tamin'ny alalan'ny fihaonambe izay natao tany Miarinarivo Itasy...
♦ Navoaka androany ny rejisi-pifidianana nasiônaly, hiatrehana ny fifidianana. Maherin'ny 4 alina sy 11 tapitrisa ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana. Nihena 4 alina sy 2 hetsy mahery ny eto amin'ny Faritanin'Antananarivo... ♦ Nanatitra taratasy fanindroany ho an'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, ny Antoko Pôlitika Madio. Taratasy manamafy ny fitakiana ny fiampangana ny ny Filoha eo anivon'ny "Haute Cours de Justice, noh ny raharaha fizakany zom-pirenena frantsay... ♦ Hametraka fitoriana vaovao eny amin'ny Fitsarana, ny sendikàn'ny mpiasan'ny CNaPS...
♦ Niaka-tsehatra tao amin'ny haino aman-jerim-panjakana ny Filoham-pirenena androany, nanoloana ny savorovoro nandritra ny fanadinana Bakalôrea. Misy andian'olona, vitsy an'isa, misompatra ny fitondrana, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Tsy ho foana tanteraka ao anatin'ny telo herinandro, ny delestazy amin'ireo tanan-dehibe eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Angovo androany. Mila fiara mpitatitra solika miisa 100 isan'andro, raha ny nambarany, raha tiana ho foana tanteraka ny fahatapahan'ny herinaratra...
♦ Niofana teto andrenivohitra nandritra ny 3andro ny Dokotera Veterinera avy amin'ny Faritra miisa 8, eto amin'ny nosy. Fiofanana nanatevenana ny fahalalan'ny mpitsabo biby afahana manatsara ny fanaraha-maso ny aretim-biby... ♦ Efa manomboka ny asafanamboarana ny lalam-pirenena faharoa (RN2) hoy ny teo anivon'ny ministeran'ny asa vaventy. Asa fikojakojana nohamafisina no natao mba hampateza ny asa vita... ♦ Mahatratra 9.000 ny isan'olona tsy manana kôpia nahaterahana ao amin'ny Distrikan'i Soavinandriana Faritra Itasy. Misy ny fiaraha-miasa eo amin'ny OIF sy ny ministeran'ny Fitsaràna mba hisitrahan'ny mponina amin'ny kaominina miisa 9 izany kôpia izany...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco