♦ Ankizy sy tanora maherin'ny 15.000 no hiatrika ny Kôngresy Eokaristika hatao any Antsiranana ny 20 hatramin'ny 25 aogositra 2024... ♦ Nanolotra ny Fandaharan'asa Ankapoben'ny Governemanta teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza ny Praiminisitra Ntsay Christian, androany... ♦ Nivoaka ny efitrano fivoriana ny Solombavam-bahoka mpanohitra. Tsy ara-dalàna, hoy izy ireo, ny fanoloran'ny Praiminisitra ny PGE androany...

♦ Namotsipotsitra ireo olana iainan'ny vahoaka amin'ny andavanandro ny Filoha Tokely Justin, nandritra ny kabary fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana teny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Plastika avokoa ny 10%-ny fako 18.985 taonina isan-taona eto Madagasikara... ♦ Miditra amin'ny andro faharoa ny zaikabe ho an'ny Fikambanan'ny Vadi-miaramila, na ny FIVAMI. Vadi-miaramila miray hina, miara-mientana ho an'ny fampandrosoana, io no teny enti-manentana amin'izany...

♦ Praiminisitra Ntsay Christian: hiatrika ny Antenimiera mpanao lalàna, hampahafantatra ny pôlitika ankapoben'ny fanjakana, na ny PGE, anio sy amin'ny alatsinainy ho avy izao... ♦ Mijanona ho 20% ny hetra alaina amin'ny ampahan'ny karama farany ambony. Ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ihany no mametra ny fiakaran'ireo karazan-ketra misy eto amin'ny firenena, hoy ny Foibe-pitondrana ankapoben'ny hetra... ♦ Orinasa JIRAMA: misy indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny eto Antananarivo sy ny manodidina, noho ny fihenan'ny tosiky ny rano anatin'ny vanim-potoana main-tany...

♦ Efa ôfisialy fa ny 11 desambra 2024 no daty hanatanterahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina eto amintsika. Nankatoavina ny didim-panjakana fiantsoana ny mpifidy amin'izany fifidianana izany... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaa rahampitso ny Praiminisitra, hanolotra ny fandaharan'asany ho fampandrosoana ny firenena... ♦ Mbola mitohy ny fitokonana faobe ataon'ireo mpiasan'ny FOFIFA manerana ny nosy, hitakiana ny fialan'ny Tale Jeneraly. Tsy manao afa-tsy fiandrasan-draharaha izy ireo hatramin'ny androany...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...