♦ Nanamarika ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny kolikoly isika teto Madagasikara ny sabotsy 9 desambra teo. Mivoatra manaraka ny teknôlôjia ny fanaovana kolikoly eto amintsika hoy ny tompon'andraikitra ao amin'ny Bianco ka tsy maintsy mivoatra ihany ko any fomba fiasa... ♦ Nomarihana omaly 10 desambra ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'olombelona. Mampiroborobo ny zon'olombelona manerana an'i Madagasikara ny governemanta hoy ny Ministry ny Fitsaràna. Marefo ny mpiaro ny zon'olombelona eto amintsika... ♦ Hihena 19% ny drakaka ahondran'i Madagasikara amin'ny taona 2024 noho ny fepetra ho ampiarin'ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga...

♦ Namoaka fanambaràna manoloana ny fampiantsoana mpanao gazety sy fisamborana olona tato ho ato ny Vondron'ny kandidà 11. Tsy milamina ny raharaha eo anivon'ny Foloaliindahy matoa misesisesy ny famotorana noho ny ahiahy fikomian'ny miaramila hoy izy ireo... ♦ Hampihena farak'izay tratra ny fanafarana entana ny Fanjakàna malagasy amin'ny taona ho avy io, araka ny voafaritra anatin'ny lalàna lasitra mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2024 ; nitondra fanazavana ny Ministry ny toe-karena... ♦ Fianakaviana maherin'ny 100 any amin'ny Distrikan'i Soavinandriana no ahiana ho very fananana sy tsy hanan-kialofana . Bodoin'ny Zafikelin'ny lehiben'ny Distrika teo aloha ny tany 80Ha, raha ny fitarainan'ireo mponina...

♦ Navotsotra ary navela nody ny mpanao gazety Gascar Fenosoa, taorian'ny nampiantsoana azy teny Fiadanana. EFa nohadihadiana ihany koa i Christian Tabera, taorian'ny fisamborana azy ny alakamisy teo... ♦ Tsy tanteraka omaly ny fifanatrehana mivantana teo amin'ireo solombavambahoaka sy ireo mpikamban'ny Governemanta. Iraka no nalefan'ny Governemanta nanangona taratasy mirakitra ny fanontanian'ireo eo anivon'ny antenimieram-pirenena... ♦ Homarihana anio ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny kolikoly. Hikarakara loabary an-dasy momba ny fanodikodinana ny volam-panjakàna etsy amin'ny fiobeny etsy Ambohibao ny Bianco, entina hanamarihana izany...

♦ Lany tsy nasiam-panovana teny amin'ny Antenimieran-doholona androany, ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana ho an'ny taona 2024. Vinavinaina hiakatra 4,5% ny tahan'ny fitomboan'ny harin-karena faobe ho an'ny taona 2024... ♦ Navotsotra ary nalefa nody ny mpanao gazety Gasikara Fenosoa, tao aorian'ny nampiantsoana azy teny Fiadanana androany... ♦ Fanamby napetraky ny Filoha Andry Rajoelina ny handresy ny fahantrana eto Madagasikara. Mba hahatratrana izany dia mila mifampitsinjo sy mifanohana ny samy Malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...