Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy i Mompera Gabriel Randrianantenaina, pretran'ny Diosezin'i Moramanga ary Secrétaire Coordinateur-n'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara hatramin’izao.

Iza moa i Mompera Gabriel Randrianantenaina ? Teraka ny 26 febroary 1969 (52 taona) tany Tanambe, diosezin’Ambatondrazaka izy. Rehefa nahavita ny fianarana ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa izy, dia niditra tao amin’ny Seminera zandriny tao Ambatondrazaka ny taona 1984. Voaray tao amin’ny Seminera Propédeutique diosezianina izy ny taona 1989 ; ny taona 1990 kosa dia tafiditra tao amin’ny Seminera zokiny fianarana Filôzôfia "St Paul Apôtre" ao Antsirabe ; ary ny taona 1994 izy dia voaray hiditra tao amin’ny Seminera zokiny "Saint Pierre" ao Antananarivo.

Nohamasinina ho Pretra izy ny 31 mey 1997. 24 taona naha-pretra izy izao voatendry ho eveka izao. Nahazo ny mari-pahaizana Licence amin’ny Teolojia tao amin’ny Institut Catholique de Madagascar izy ny taona 1997 ka hatramin’ny 1998. Ny taona 2000 ka hatramin’ny taona 2002, tany amin’ny Université Pontificale Urbaniana Roma kosa no nahazoany ny Licence en Pratique Administrative Canonique de la Congrégation pour le Clérgé.

Ireto avy ireo asa pastoraly efa nosahaniny :

  • 1998-2000 : Curé n’ny Paroasy "San Tammaro" any Anosindrafilo, Diosezin’Ambatondrazaka ary Aumonier diocésain n’ny tanora katolika ;
  • 2003-2010 : Tompon’andraikitry ny Distrika misionera Anosibe Anala, Diosezin’i Moramanga ary Délégué diocésain n’ny pastôralin’ny fiantsoan’Andriamanitra
  • 2006 : rehefa natsangana ho Diosezy vaovao i Moramanga, dia nisafidy hiditra ao anatin’ity fari-piadidiana eo anivon’ny Fiangonana katolika ity izy
  • 2010-2015 : Recteur n’ny Séminaire Interdiocésain "Saint Jean-Marie Vianney" ao Moramanga ;
  • 2015-2016 : Tompon’andraikitry ny Distrikan’Anosibe Anala, Diosezin’i Moramanga, ary Délégué diocésain à l’Œcuménisme
  • Nanomboka ny taona 2016 : Sécrétaire Coordonnateur de la Conférence des Evêques de Madagascar ary koa Coordinateur National de l’Association Sacerdotale "Prêtres de Saint François de Sales" nanomboka ny taona 2012.

Dia mirary soa an’i Monsenera Gabriel Randrianantenaina amin’izao andraikitra vaovao nanendren’ny Papa François azy izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...