♦ Anentanan'ny Papa Ray masina ao anatin'ny tambazotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany amin'ity volana desambra ity ny hivavaka manokana ho an'ireo katesista... ♦ Hofaranana amin'ny alarobia 8 desambra 2021 izao ny Taonan'i Masindahy Josefa. Ho an'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo dia ny 12 desambra 2021 no hanamarihana izany... ♦ Nanao antso avo mba hisian'ny fanampiana ireo mpifindra monina ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana Apôstôlika nataony tany Lesbos, Grèce, omaly...

Fiombonana, Fandraisana anjara, asa fanirahana : ireo no teza telo ihodinan'ny Eglizy miara-dia. Vatana iray ny Eglizy, miombona noho ny Batemy noraisiny. Mirotsaka amin'ny fomba feno sy mavitrika izy. Ny zavatra rehetra ataony dia mitodika ao amin'ny asa fanirahana avokoa, izay antom-pisian'ny Eglizy. Fanazavana entin'i M. Roger Marius Razafimandanona, Ekipa nasionaly mpandrindra ny sinaody

♦ Hotanterahana any Antsirabe ny 30 aogositra hatramin'ny 4 septambra 2022, ny JMJ Mada-10... ♦ Nankahery ny vahoaka Malagasy ny Papa François tamin'ny fihaonany tamin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nasiam-panitsiana ny dikan-teny frantsain'ny litorjia fankalazana ny Eokaristia Masina...

Hotanterahina any Antsirabe ny 30 aogositra ka hatramin'ny 4 septambra 2022 ny JMJ Mada andiany faha-10. Lohahevitra hifanentanana amin'izany ny hoe: "Mitsangana fa ataoko vavolombelon'ny zavatra efa hitanao ianao" (Asa 26, 16). Fanasana avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...