♦ Tontosa ny 15 hatramin'ny 17 febroary 2024, ny Symposium mifantoka amin'ny hoe ny vavaka manokana sy ny vavaka iombonana, tao amin'ny Grand Séminaire tao Moramanga... ♦ Nosokafana ny alahady 18 febroary 2024, ny fankalazana ny faha-150 taonan'ny EKAR Masindahy Louis de Gonzague, Ankadisoa. Nifanentana ho amin'ny fiatrehana izany avokoa ny kristianina rehetra tao an-toerana... ♦ Nandritra ny vavaka Angélus, ny alahady voalohany amin'ny Karemy, no nampitandreman'ny Papa François ny mpino rehetra, ny amin'ireo bibidian'ny fanahy...

♦ Hisy fiomam-panahy iombonana ho an'ny Kôngresy Eokaristika nasiônaly amin'ny Radio Katôlika manerana an'i Madagasikara... ♦ Ny faharetana amin'ny finoana no hery entina miady amin'ny hakamoana sy ny tsy firaharahiana ny fianana anaty, hoy ny Papa François... ♦ Fiarovana ny tontolo iainana no hetsika ataon'ny tanora ao Ghanà ho fiainana ny karemy...

♦ Notendren'ny Papa François, androany 12 febroary 2024, ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, i Mompera Jean Désiré Razafinirina... ♦ Aina mamelona sy manamafy ny fifandraisan'ny fianakaviana amin'Andriamanitra, ny vavaka. Io no tari-dàlana pastôraly, natolotry ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, entina hifanentanana amin'ny mpino rehetra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, amin'ity taona 2024 ity... ♦ Nankalazaina omaly ny Andro Maneran-tany ho an'ny Marary andiany faha-32. Samy nanana ny fanamarihana izany ny isan-diôsezy...

Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, androany 12 febroary 2024, i Mompera Jean Désiré Razafinirina, pretra diôseziana, avy ao Toliary, Rektoran'ny Seminera Zokiny, Masindahy Jean Baptiste, Vohitsoa-Fianarantsoa.Teraka ny 5 mey 1975 tao Manombo-Atsimo, Toliara-II i Mompera Jean Désiré. Ny taona 1994 ka hatramin'ny taona 1997 izy no nandalina ny filôzôfia tao amin'ny Seminera zokiny, Vohitsoa-Fianarantsoa. Rehefa vita ny roa taona nanaovany ny "stage de régence" dia niverina tao Vohitsoa izy nandalina ny Teôlôjia, ny taona 1999 ka hatramin'ny 2002...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...