♦ Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany eo anilany teo amin'ny faha-84 taonany i Mgr Antoine Salvatore Scopelliti, Eveka misotro ronono an'i Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misiônera mpitondra hafatra isika, hoy i Mgr Zygmunt Robasckiewicz, Evekan'i Mahajanga, tamin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny Misiona... ♦ Notanterahana tao Toamasina ny zaikaben'ny Vondrom-bavaky ny Apôstôlin'ny Famindrampon'Andriamanitra ho an'ny Arsidiôsezy Atsinanana...

♦ Manentana ny kristianina hifanome tanana hampiroborobo ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny Tale nasiônalin’ny OPM (Œuvres Pontificales Missionnaires), P. Rakotoarisoa Jean Claude amin’izao fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Misiona, izay marihana ny alahady 22 oktobra izao… ♦ Mila manana fo mirehidrehitra sy hafanam-po amin’ny asa fiantrana tahaka ny nataon’i Masindahy Charles de Foucauld isika, hoy ny Papa François, ny alarobia lasa teo… ♦ Nampirisika ny mpino rehetra mba tsy hiandany afa-tsy amin’ny fiadanana ny Papa François manoloana ny savorovoro misy ao Proche-Orient…

♦ Sarotra ny miaina ny fanetren-tena, fa efantsika izany rehefa miaraka amin’Andriamanitra, hoy ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny fanokafana ny Jobily faha-800 taonan’ny fiainan’ny Fransiskanina… ♦ Tsy manery, fa manaja tanteraka ny fahafahan’ny olombelona Andriamanitra, hoy ny votoatin’ny fampianaran’i Papa François tamin’ny Angélus, omaly… ♦ Nanavao ny antso mba hisian’ny fanajana ny zo aman-kasin’ny maha olona ao Gaza, ny Papa François…

♦ Sampan’asa iray misahana ny fanohanana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny sampan’asa fampielezana ny finoana… ♦ Napetraka tamin’ny fomba ofisialy omaly ireo masera avy amin’ny fikambanana “Petites Sœurs du Sacré-Cœur de Jésus”, izay hiasa ao amin’ny Distrika Antsapanana… ♦ Mila volena ao anatintsika ny toe-tsaina mahay mankasitraka an’Andrimanitra, hoy ny antson’ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Angélus…

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...