Amin’ny kolontsaina Malagasy, ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona no mpitahiry ny fahendrena sy ny soatoavina. Mpanabe izy ireo ary andrin’ny fianakaviana. Ny fananana azy ireo eo anivon’ny fianakaviana dia manome lanja ny fianakaviana sy ny ankohonana. Noho ny fandrosoan’ny teknolojia sy ny fivoaran’ny kolontsaina dia mihamihena ny lanja omen’ny fiarahamonina azy ireo. Manentana antsika araka izany ny Papa Ray Masina Fransoa, amin’ny namoronany ny andro maneran-tany ho an’ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona nanomboka ny taona 2021. Amin’ny taona ity dia ny 23 Jolay 2023 no hanamarinana izany ary anentanana ny kristianina iray manontolo ny fanomezan-danja azy ireo sy io andro maneran-tany io.

Ataontsika topi-maso miaraka ny amin'ny Trinite Masina ny tontolo izay iainantsika. Raha jerentsika araka ny fijerin'ny Trinite Masina izao tontolo izao dia mirona any amin'ny zava-dratsy ny ankamaroan'ny olona izay mitondra azy any amin'ny afobe fa tsy any an-danitra. Voairaka toa an'i Jesoa koa isika handrava ny herin'ny ratsy amin'ny manodidina antsika sy hanandratra an'Andriamanitra. Fandaharana "miaina sy mitia"

Hatao eto Antananarivo ny Fihaonambe nasionalin'ny ankizy andiany faha-3 na JNE Mada III, manomboka ny 26 jolay hatramin'ny 30 jolay 2023. Tsy mitovy amin'ny tanora izy ireo fa ankizy 6 ka hatramin'ny 14 taona, izany hoe ankizy tsy ampy taona. Mila atao mipetrapetraka tsara ny fiomanana rehetra indrindra ny fiahiana ny fahasalaman'ny ankizy, ka izay ny anton'ny fandaharana. Fandaharana "miaina sy mitia"

Ny fanabeazana dia adidin’ny ray aman-dreny haha-olom-banona sy haha-mahaleo tena ny zanaka. Ao anatin’izany dia maro ny karazana fanamby atrehina isaky ny sokajin-taonan’ireo zanaka. Etsy andaniny ihany koa anefa maro ny fanentanana
avy amin’ireo mpiaro ny zon’ny ankizy amin’ny fomba fanabeazana tokony ataon’ny ray aman-dreny. Hiatrehina izany rehetra izany dia mila mifanakalo hevitra amin’ny zanaka ny ray aman-dreny, mahazo ny filàn’izy ireo, manampy azy ireo amin’ny fanomanany ny hoaviny; ary indrindra, tsy hiraviravy Tanana manoloana ireo fanamby atrehina samihafa ka handray ny adidy ho antso sy iraka avy amin’Andriamanitra. Fandaharana "miaina sy mitia"

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...