Antsoina isika rehetra hampiseho fangorahana sy halemem-panahy amin’ny marary. Ao anatin’ny traikefan’ny faharefoana sy ny aretina indrindra no ahafahantsika mianatra miara-dia araka ny fomban’Andriamanitra mangoraka sy malemy fanahy.Ilay samaritanina tsara fanahy no ohatra ho antsika amin’ny asa fanompoana tokony hatao: Fihaonana mivantana amin’ny marary, fitsaboana, tranombahiny, ny tompon’ny tranom-bahiny, ny vola, ny fanomezan-toky fa mbola hanome vaovao mikasika ilay marary. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Fototry ny fampandehanana ny tokantrano ny fifandraisana mirindra eo amin'ny mpivady. Mila hatsaraina isan'andro izany amin'ny alalan'ireo teny mamy, fifanampiana, fanehoam-pitiavana. Mety betsaka ireo sakana lalovana ao anatin'izany toy ny tsy fahampian'ny fotoana, ny tsy fifankazahoan-kevitra, ny fahasarotan'ny fanabeazana ny zanaka amin'zao vanim-potoana iainantsika izao. Mitaky ezaka lalandava izany rehetra izany ary hahitana vokatra mahomby rehefa misy ny fifandraisana tsara...

Noharian'Andriamanitra hitovy endrika aminy ny olombelona. Noho izany dia manan-danja sy manana fahamendrehana ny olombelona tsirairay, ary anisan'izany "Aho". Amin'ny maha-tanora ahy dia afaka mampiasa izany ho tombony aho : afaka mamorona sy matsilo saina. Tsara aho ary afaka manao ny tsara ihany koa. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.

Maro dia maro ny fomba amam-panaon'ny olona isan'ambaratongany hita fa tsy mampiroborobo ny fahasalamana fa vao maika mampitombo ny aretina aza. Mila maka lesona amin'ireny hitondra mankany amin'ny fahasalamana tsara kokoa. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 marsa 2025

• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie de Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...