Ny safidy ihany sy ny fanajana azy no ahitana filaminana, fandrosoana ary fahatsaram-piainana. Maniry ny Malagasy mba hanana safidy ary hanaja ny safin'ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Fantaro hoe : inona no safidinao eo amin'ny fiainana. Ny safidinao no hitondra fiadanam-po, fiadanan-tsaina, fiadanam-panahy. Ny safidy no mampivelatra sy mampisondrotra ary manatsara ny fiainana ho avy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika noho ny tsy fahaizana manaja ny safidin'ny hafa. Ny fanajana safidy dia mitondra filaminana sy fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny safidy no maha tompon'andraikitra. Ny fanabeazana dia fanomanana ny olona ho tompon'andraikitra ; ny fitaizana dia manomana olona ho tompon-toerana amin'ny sehatr'asa izay misy azy. Raha te-hanamafy ny maha-izay sy ny maha-izy dia manàna safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...