Anatin'ny vanim-potoana ialohan'ny fifidianana isika izao. Ny safidy no hahafahana mandray andraikitra eo amin'ny lafim-piainana rehetra, koa mahaiza mifidy dia hahazo sy hahita fahafaham-po ianao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ireo dingana efa nolalovan'ny fandaharana "mba ho vanona" : Ny ambaratonga voalohany dia ny fitiavana ; ankehitriny dia eo amin'ny ambaratonga faharoa isika izao, dia ny firesahana ny safidy, ity farany dia harena nomen'Andriamanitra ny olombelona. Ny olona tompon'andrikitra dia olona manana vina sy tanjona, isan'ambaratongany... Fandaharana "mba ho vanona" iaraha-miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fanararaotana dia mety ho amin'ny lafiny tsara fa misy koa ireo manararaotra amin'ny ratsy. Koa araraoty ny andro azo hanaovana soa. Tsy lavitra izany ny fahasarotam-piaro, indrindra ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ny fametsifetsena dia azo adika ihany koa hoe " famitahana, fampanantenana poakaty. Ny fametsifetsena dia hita eo amin'ny fiaraha-monina ary tonga amin'ny fahapotehan'ny firenena.  Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...