Aoka hiainantsika isan'andro ny teny famporisihana mba hahatonga antsika ho tompon'andraikitra ary ho tonga biriky handrafetana ny trano mampivoatra sy mampandroso ary mampivelatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Isika tsirairay avy no biriky mandrafitra ny rindrin'ny tranom-pahavanonana. Aoka harisika isika hanao jeritodika ny tontolo androm-piainana ary entina ao amin'ny vavaka izay atao amin'Andriamanitra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Mba hampirindra ny fiainana ao an-trano dia ilaina ny teny fampirisihina eo amin'ny mpivady sy ny mpianaka. Ny fanaovana jeritodika ny tontolo andro dia zava-dehibe amin'ny fiainana ary ampidirina amin'ny vavaka hatao. Mirindra ny fiainana rehefa miaraka miatrika an'Andriamanitra ny mpianakavy. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Mila mahay manome fitiavana sy mandray fitiavana isika. Mila fandinihantena izany rehefa mifarana ny tontolo andro. Tena fanazarantena ilaina izany hanatsara ny fiainantsika sy ny manodidina antsika, ary mamporisika antsika hifandray amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco