Aoka iaina ny maha olom-pirenena isika manomboka amin'ny faha-18 taona, ka handray anjara amin'ny fifanampiana manoloana ny zav-misy eto amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny fahavanonana sy ny hoe maha-olomp-pirenena dia tsy afaka misaraka. Mifameno ireo, tsy ho tomombana ny maha-olom-pirenena raha tsy ao ny fahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny olom-banona dia izay manisy hasina ny fifandraisana eo amin'ny maha samy olombelona, ary ao anatin'izany ny fanajana ny soatoavina. Ny maha olom-pirenena kosa dia ny fanatanterahana ny zo omen'ny lalana rehefa feno valo ambin'ny folo taona...

Ny fomba fanehoam-pitiavana eo amin'ny olona roa, eo amin'ny mpifankatia, mpianaka, mpinamana dia mifototra koa amin'ny fifanajàna. Mampiavaka antsika malagasy ny fandrindrana ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fifanajàna, eo koa ny fifandraisana amin'ny zavaboahary. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...