Ao anatin'ny volana jona no natokana ho iray volan'ny "teny malagasy". Andrianiko ny teniko fa ny any hafa ihany koa ho feheziko, ity fomba fiteny ity dia maneho fa manana ny lanjany teny Malagasy. Ny teny dia manana ny hasiny izay rindrandamina avy amin'ilay Nahary. Manodidina ny "teny" dia ahitana taratra ny kolontsaina sy izay mahaizy ny firenena iray.  Fandaharana "Miaina sy mitia".Ny teny dia fitaovana entina hifaneraserana amin'ny hafa ary izay no mandrisika antsika hifehy ny tenin'ny hafa, izany anefa tsy natao hanariana ny kolontsaina mahamalagasy...

Ndao hankaherezina ny raim-pianakaviana amin'ny asa sy ny adidy miandry azy ireo. Ny "ray" dia singa fototra iray ao anatin'ny fianakaviana. Ny teny hoe "raim-pianakaviana" dia kambateny azo tamin'ny : "RAY" lehilahy manana vady aman-janaka, loharano niaviana, loham-pianakaviana ; "FIANAKAVIANA" taranaka avy amin'ny olona iray, olona manana ra iraisana, fiaviana iray. Ny ankohonana dia fiaraha-monin'ny ray, reny ary ny zanaka.

Mila ampahafantarina ny tanora ireo voka-dratsin'ny zava-mahadomelina : ara-batana, ara-tsaina, ara-piaraha-monina. Mila resen-dahatra sy entanina ny tanora tsy hiroso amin'izany. Tsy maintsy mandray an-tanana ny fitaizana sy ny fanaraha-maso ny zanany ny ray aman-dreny. Manana ny tandrifiny ihany koa ny haino aman-jery, ny sehatry ny fampianarana, ny fikambanana samihafa ary ny fiaraha-monina : mifampiresaka sy manentana ny tanora hanaja ny vatany satria tempolin'Andriamanitra ny tenany.

Ny fahaizana manaja ny zokiolona, na fahaiza-miaina amin'ny ankapobeny dia miainga eo anivon'ny ankohonana. Matoa ny firenena vanona, dia olom-banona no novolavolain'ny fianakaviana, izay fototra iorenan'ny firenena iray, satria ny tsirairay tamintsika dia niainga teo anivon'ny fianakaviana. Ny fianakaviana maromaro miara-monina no nitambatra ho lasa firenena. Na eo aza ny fivoarana entin'ireo teknolojiam-pifandraisana, dia tsy ho entina hampisara-bazana ny ankohonana akory fa tokony hahatonga fihavaozana sy fivelaram-piainana aza izany, ho entina hampandroso ny firenena.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...