Maro ny loha-hevitra noresahina nandritra ny taom-piasàna 2020- 2021 teo iny. Hofintinina amin'ny hoe : ny fiantraikan'ny fifandraisana , ny fifanakankaizana am-po, eo amin'ny olona hafa sy ny tena manokana. Ny fitiavana, ny fahamarinana ary ny fifampitokisana no sakafon'ny fo, ka rehefa tsy misy ireo dia tonga any amin'ny faharerahan-tsaina. Ohatra ireo fa maro ireo fomba hampivelarana ny fifankatiavana sy hamahana ny olan'ny mpivady sy ny fianankaviana. Mirary soa, " MBA HO VANONA" isika rehetra.
Tsy tokony atao sakana ny elanelan-taona misy amin' ny mpivady. (09-06-2021)
Ilaina fantarina ny toetra maha izay sy ny maha izy ny olona ho vadiana. (02-06-2021)
Ao anatin' ny fo no tena mandrindra ny fiainana ary mibaiko misimisy kokoa ny fitiavana. (05-05-2021)
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco