Mbola tsy afaka mamaly ny filàna amin'ny tsena anatiny ny vokatra ronono eto amintsika. Antony nanafarana ireo omby vavy be ronono hanampiana ny efa misy eto...

Atokana any Antsirabe ankehitriny, ireo omby vavy 165 nafarana tany Frantsa ireo. Mbola hisy omby vavy an'arivony no hafarana mba ahafahana mameno ny vokatra ronono tsy ampy eto Madagasikara.

Manafatra vovo-dronono manodidina ny 3 500 taonina isan-taona mantsy isika hanampiana ny vokatra. Mbola tsy ampy 26 000 000 litatra noho izany ny ronono eto Madagasikara. Mila manampy omby vavy be ronono 8 000 isa noho izany ny malagasy ahafahana manatratra ny vokatra mitovy amin'izany vovo-dronono 3 500 taonina izay hoy ny ministra lefitra misahana ny fiompiana, Dokotera Raymond.

Ankohatr'izay, hatsaraina ny taranak'omby eto Madagasikara ka fanamby ny ahazoana omby tsara kalitao sy mavesa-danja hatrany amin'ny 500 kilao, raha toa ka atsasak'izany ny lanjan'ny omby zana-tany ankehitriny. Tsy ho fakàna hena ara-pahasalamana hamaliana ny tinadin'ny mpanjifa fotsiny fa azo ampiasaina hiasa tany noho ny tanjany mba hampivoarana ny fiharian-karen'ny mpamokatra.

Natomboka tao amin'ny fokontany Zatobe, Kaominina Marotampona, distrikan'i Tsiroanomandidy àry ny teknika fampanarahana enti-tanana hanatsaràna ny taranak'omby ao amin'ny faritr'i Bongolava, amin'ny alalan'ny omby tsara karazana " limousine ". Fanombohana ny tao Bongolava fa haparitaka any amin'ny faritra 22 hafa ny teknika.

Ny kaoperativa Mada-Omby no nisitraka voalohany ny teknika ho an'ny eto Madagasikara. Famatsiam-bola avy amin'ny FDA eo ambany fiahian'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana amin'ny alalan'ny tetik'asa Fandrosoana tohanan'ny vondrona eraopeana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...