Manao antso avo ny Malagasy Dairy Board na ny "MDB", mitaky ny tsy hankatoavan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana sy ny Filohan'ny Reôblika ilay lalàna vaovao momba ny fananan-tany, vao avy nolanian'ny solombavambahoaka, ny 30 jona teo. Ny MDB dia vondron'ireo mpisehatra amin'ny lalam-pihariana ronono eto Madagasikara.

Velom-panahiana ny amin'ny mety ho fahaverezan-jo amin'ny fisitrahana tany noho ity lalàna ity ny tantsaha. Maneho firaisankina tanteraka ary manohana ny antso avo efa nataon'ireo vovonam-pikambanan'ny tantsaha maro eto Madagasikara ny MDB manoloana ity toe-draharaha iray ity hoy Andriamatoa Rakotozafy Théophile, filan-kevim-pitantanan'ny MDB.

Vonona hifampidinika sy handray an-tanana amin'ny fampandrosoana ny firenena ny vovonam-pikambanan'ny tantsaha. Isan'ny voakasika amin'ity lalàna ity ny lalam-pihariana ronono. Manana ny mampiavaka azy mantsy ny mpisehatra momba ny fanamaitisa-molaly ny tany, hoy Andriamatoa Raveloarijaonina na Ravelo mpiompy ombivavy any Vakinankaratra, isan'ny mpikambana ao amin'ny filan-kevi-pitantanana.

Tsy niheno ny tantsaha ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpano lalàna tamin'ny namolavola sy nandinika ity lalàna ity. Mbola tsy tara ny fitarainana ataon'ireo vovonam-pikambanan'ny tantsaha hoy Andriamatoa Rakotozafy Théophile, mpikambana ao amin'ny filan-kevi-pitantanan'ny MDB.

Nivory nandritra ny roa andro teto an-drenivohitra ny filan-kevit-pitantanan'ny MDB manerana ny nosy, ny 15 sy ny  16 jolay 2021 teo, nandinika ny fiainan'ny fikambanana amin'ny ankapobeiny, ny asa tanterahana ao amin'ny lalam-pihariana ronono ary ny momba ilay lalàna momba ny fananan-tany ka izao namoaka fanambarana iombonana izao.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...