Mbola olana hoan’ny mpanao asa tanana vita amin’ny volibe na ny Bambou tsy ahafahan’izy ireo mivelatra eo amin’ny tsena iraisaisam-pirenena ny tsy fahampian’ny kalitao sy ny fenitra takiana amin’ny famokaran’izy ireo. Maro nefa ny firenena afaka mandray ny vokatra eto Madagasikara, toa an’i Seychelles sy La Reunion. Misy koa ireo manondrana any Eraopa...

Mba ahafahana manarina izay lesoka izay no nanoloran’ny Rafitra Iraisam-pirenena amin’ny Bambou na ny INBAR eto Madagasikara sy ny Sampan-draharaha sinoa misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, fitaovana maro isan-karazana enti-miasa, hoan’ny Fikambanana Fivoarana Malagasy na ny AFIMA eny Ambilanibe Andavamamba ao Antananarivo Renivohitra.

Mahavita ny ilaina rehetra amin’ny asa tanana vokarin’ireo mpikambana ao amin’ny AFIMA ny fitaovana natolotra azy ireo androany araka ny fanazavan’Andriamatoa isany, RAKOTO Jean Yves, filohan’ny CMBART, na ny Foibe Malagasy hoan’ny seha-pihariana Bambou sy RAJAONARISON Njaka, Mpandridrampirenen’ny tetik’asa Bambou eto Madagasikara.

Manohana an’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana volibe na ny bambou moa ry zareo sinoa. Misy ny tetik’asa vatsiany vola amin’ny alalan’ny sampan-draharaha sinoa momba ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena hoan’ny fampandrosoana na ny CIDCA. Tetik’asa mandritra ny roa taona, mitentina 2 tapitrisa Dolara.

Faritra miisa 5 no anatanterahana azy, dia ny eto Antananarivo, Vatovavy, Fitovinany, Atsinanana ary Diana. Miisa 3 arivo sy 5 alina no mahazo tombotsoa. Ny 3 arivo amin’ireo no mpahazo tombotsoa mivantana, ka ny arivo no vehivavy ary ny 2 arivo kosa ny lehilahy. Tanjona ny hitantanana maharitra ity otrik’arena ity sy ny famerenana amin’ny laoniny ny tany karakaina, ny fahafahana miditra amin’ny tsena ary ny fampiroboroboana ny indostria hoan’ny volibe tohin’ny ny asa efa natao teo aloha nanomboka ny taona 2010…

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...