Manohana ara-tsôsialy sy toe-karena ny mponina manodidina indrindra fa ny tantsaha anatin’ny andraikitry ny orinasa ho an’ny fiaraha-monina na ny RSE ny orinasa QMM. Anisan’ny tohanan’ny Qit Mineral Madagascar na QMM ny lafiny fambolena. Misy ny tetik’asa Lombao tohànan’ny orinasa, hivelaran’ny mpamokatra sy ny tanora mpamokatra amin’ny sehatr’asany. Anisan’ireo nahafeno ny masontsivana amin’ny tohana omen’ny tetik’asa Lombao i Randrianambinina Firmin, tanora vao erotrerony monina ao amin’ny fokontany Emôty kaominina Mandromondromotra distrikan’i Taolagnaro...

Fanohànana, taorian’ny fahitàna ny vina nitsiry tao aminy amin’ny sehatry ny fandraharahàna, dia ny famokarana sy fanodinana mangahazo ho lafarinina. Nanazava ny anton’izay safidy hamokatra lafarinina vita amin’ny mangahazo izay moa ny tanora mpandraharaha Randrianambinina Firmin, nandritra ny fitsidihana ny orinasakeliny.

Tsy vahiny amin’ity sehatra ilofosany ity i Firmin Randrianambinina fa efa nandalina momba ny teknika fambolena mangahazo, ka hahazoany hatrany amin’ny 20 kilao ny fototra mangahazo iray amin’ny teknika Basket compost, izay ampiasainy amin’izany sehatra famokarana mangahazo ahazoana vokatra lehibe izany.

Ankoatra an’i Firmin sy ny ankohonany, mitsiraka izao sehatr’asa ataony izao koa ny mponina amin’ny fokontany Emôty kaominina Mandromondromotra sy ireo manamorona amin’ny Lalampirenena faha-12A manodidina. Sady mamatsy lafarinina no mividy ny vokatry ny tantsaha hafa, hanatsaràna ny fari-piainana ihany koa izy

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...