Nampihatrano fihaonana iraisam-pirenena momba ny lalam-pihariana vary i Madagasikara amin’ity herinandro ity. Tanterahana eto Antananarivo mandritra ny efatra andro nanomboka androany ny fivoriambe faha folon’ny Fikambanambe ampiroboroboana ny voly vary aty Afrika na ny CARD( Coalition pour le Développement de la Riziculture en Afrique) sy ny andiany faha 21n’ny fivorian’ny komity mpitantana (Cmité de Pilotage)...
Solotena avy amin’ny firenena 32 aty Afrika mpikambana ao amin’ny CARD no mandray anjara, ny rafitra iraisampirenena, ny ivon-toeram-pikarohana ary ireo mpiara-mipbon’antoka ara-bola sy teknika. Tamin’ny volana oktobra tamin’ny taon-dasa no saika notantehana ity fihaonana ity saingy noho ny toe-draharaha teto amin’ny firenena dia voatery nahemotra izany.
Nofaranana tamin’ny alalan’ny fitsidihana ny toeram-pambolem-bary tao Manakasina, Ambohimanga rova sy ao Mahitsy, samy ato amin’ny faritra Analamanga ny fihaonambe faha 10n’ny Firohotana hoan’ny fampandrosoana ny voly vary aty Afrika na ny CARD ny 12 Mars 2026.
Lohahevitra samihafa manodidina ny vary no resahana nandritra ny efatra andro. Isan’izany ny fampifanarahana ny voly vary amin’ny fiovan’ny toetr’andro, ny fanatsarana maharitra ny famokaram-bary amin’ny tany volena, ny fampiroboroboana ny tsena sy ny varotra vary ary indrindra ny fambolem-bary mampiaty na ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’izay voly vary izay