Efa mahay mandray fanapahan-kevitra amin’ny fampivoarana ny fidiram-bola any aminy ny fikambanan’ny tantsaha eto amintsika. Tsy mianona amin’ny lalam-pihariana nifotorany hatramin’izay fa mitady lalam-pihariana fanampiny. Isan’izany ny fikambanana Miara-Mizotra Boeny ao Ambatoboeny sy ny Soa Mitambatra Amoron’i Mania.

Nampiroborobo ny voly soza ny tantsaha tao amin’ny distrikan’i Ambatoboeny manoloana ny fiovan’ny toetr’andro ka nampirongatra ny bibikely mpanimba voly tany aminy. Tapa-kevitra hamokatra menaka vita amin’ny soza koa ireo tantsaha mpikambana ao amin’ny fikambanana Miara-Mizotra Boeny ao Ambatoboeny. Mampiroborobo ny fambolena soza ny tantsaha raha toa ka ny lojy no nahazatra azy ireo.

Mampitombo ny vola miditra hoan’ny fianakaviana misehatra aminy koa ny fambolena voly maharitra toa ny voasary. Maro amin’ireo tantsaha ao amin’ny vovonam-pikambanana SOA MITAMBATRA faritra Amoron’i Mania no mifototra amin’izy io ankehitriny. Efa ho folo taona izao ny fikambanana no niantsehatra amin’ny fambolena voasary ankohatra ny famokarana masomboly ifotorana Isan’izany Madame Njara ao amin’ny fikambanana fototra Soa Maniry ao Ambondromisotra, distrikan’Ambatofinandrahana.

Voasary 700 fototra ny azy ankehitriny no efa ahazoana vokatra ary tsy nihanona amin’izay fa mbola namboly 500 sy arivo fototra hafa ihany koa izy tao anatin’ny telo taona nisesy izao. Mamokatra karazana voasary maro ireo tantsaha arakaraka ny filan’ny tsena.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...