Notanterahana tetsy amin'ny CCI Ivato ny 23 - 24 janoary 2025 ny atrik'asa nasiônaly momba ny fanovàna ara-pambolena na ny "transformation agricole". Atrik'asa anamafisana ny firotsahan'ireo mpisehatra, nananganana drafitra niaraha-nanaiky iarahana miroso amin'ny fanovàna ny fambolena...

Nandray anjara tamin'ny atrik'asa ny teknisianina, ny mpisehatra amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, ny tantsaha, ny olom-boafidy sy ireo tompon'andraikitra any amin'ny ministera samihafa.

Laharam-pahamehana ao amin'ny Pôlitika Ankapoben'ny Fanjakàna ny fanatsarana sy fampitomboana ny famokarana eo amin'ny fambolena mifanindran-dalana amin'ireo tanjona lovain-jafy (ODD), kitro ifaharan'izany ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fampiatiana ara-toekarena ireo mpamokatra madinika ary ny fampiroboroboana ny agri-busness izay ifanomezan-tanana amin'ny sehatra tsy miankina.

Tanjona ny hikajiana ny tontolo iainana amin'ny fampiasàna fomba fambolena maharitra sy teknolojia vaovao. Ireo indrindra no antony nanaovan'ny Fanjakàna ity atrik'asa nasiônaly momba ny fanovàna ara-pambolena ity.

Namintina ireo hevitra avy amin'ny asam-baomiera samihafa momba ny saha-pamokarana eny ambanivohitra, dia ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono ny Sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana Ramindo Gaëtan.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...