Maro amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga no resy lahatra amin'ny fampiasana zezika biôlôjika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin'ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin'izany...

Antony roa no nanosika azy mamokatra ny zezika kaompôsta. Vitsy ny omby eo ampelan-tanany ka tsy mahatosika ny fambolena ilofosany ny zezika azo avy amin'ireo. Manararaotra ny zava-misy eny ambanivohitra koa izy.

Zezika azo avy amin'ny tontolo voajanahary misy eny ambanivohitra mantsy ny kaompôsta ; fampifangaroana ny ravin-kazo, ny rako-maina, ny zezi-pahitra. Mamokatra kaompôsta 15 hatramin'ny 30 sarety miankina amin'ny filan'ny taniny Andriamatoa Randriamijoro Jacque Lucien. Misy tombony ny fampiasana ny kaompôsta ho azy.

Miankina amin'ny fikarohana sy fanatevenam-pahalalana no ahafahana mahazo kaompôsta tsara kalitao ka ahazoana vokatra tsara amin'ny fambolena. Mizara fahalalana ho an'ny tantsaha namany ihany koa Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien. 

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...