Tsy manao ambanin-javatra ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala ny fikambanana Union MATANJAKA ao amin'ny Faritr'i DIANA. Manana tetik'asa iarahana amin'ny Réseau SOA tohanan'ny F.F.F-F.A.O izy ireo. Tetik'asa famokarana zana-kazo sy fambolena hazo...

Misitraka ny tetik'asa ny Fikambanana FIVEMPISA ao amin'ny kaominina Sajoavato, Distrikan'Antsiranana-II. Zava-dehibe ho azy ireo io tetik'asa io satria ao Antsiranana-II no misy ny faritra arovana miisa 9 amin'ireo 19 any amin'ny Faritr'i DIANA.

Efa mipaka any amin'ny tantsaha mpahazo tombontsoa ao Sajoavato ny fifandraisan'ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny famokarana sakafo. Tanjona kendren'ny fikambanana ny hamokatra zanakazo 10.000 isa amin'ny taona ho avy hoy Andriamatoa Arnaud Richelin, mpandrindra ny Fikambanana Union Matanjaka, DIANA.

Mankalaza ny faha-20 taona nijoroany amin'ity taona ity ny INION MATANJAKA, fikambanamben'ny tantsaha mpamboly sy mpiompy misandratra ao amin'ny Distrikan'Antsiranana-II. Isan'ny vato fototra faha-20 taona izao koa ny fananganana ny trano hatao ho foiben-toeran'ny fikambanana UNION MATANJAKA.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...