16 oktobra, andro eran-tany ho an'ny sakafo. Mandray anjara goavana amin'izay famokarana sakafo izay ny famokarana tantanam-pianakaviana, dia ireo tantsaha 80% amin'ny mponina eto Madagasikara. Miantoka ny 60% amin'ny sakafo eto Madagasikara ny malagasy tantsaha. Miantsoroka ny 70% mahery amin'ny vokatra aondrana. Miantoka ny 26% amin'ny Famokarana Faobe eto Madagasikara na ny PIB ny sehatr'asan'izy ireo...

Manomboka manan-danja koa ankehitriny ny famokaran'ny tantsaha ny sakafo ara-biôlôjia. Manao ezaka mafy amin'ny fikarohana manatsara hatrany ny famokarana ireo mpikambana ao aminy ny fikambanana Lanja Miakatra. Izany no natao dia mba ahafahana manolotra sakafo tsara kalitao ho an'ny mpanjifa, anondrotana koa ny fiharian-karen'ny mpikambana ao aminy, amin'ny alalan'ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika, hoy Andriamatoa Ranaivoarison Basile na i Papa Bio.

Azo atao tsara ny miady amin'ny fahantrana eny ambanivohitra, hoy i Papa Bio amin'ny fampiharana ny famokarana biôlôjika amin'ny alalan'ny fampiasana ny zezika kankana amin'ny famokarana. Hita taratra amin'ireo tantsaha mivondrona ao amin'ny Lanja Miakatra izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...