Mizotra araka ny lamina namaritana azy amin'izao fotoana izao ilay fifaninana karakarain'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly ho an'ireo tantsaha mandraharaha amin'ny fihariana tantely voafantina ho amin'izany. Tanjona amin'ity fifaninanana ity moa ny hitiliana ireo tantsaha mendrika manana hetaheta ampiroborobo ny orinasany amin'izay fihariana tantely izay sy ahamatihaninna azy ireo amin'izay sehatr'asa izay...

Fifaninanana no atao saingy misy ny fiofanana ho an'izay voafantina hiatrika izany ka misy ny dingana efatra arahana. Ao anatin'ny dingana fikotrehana ireo tantsaha ireo ankehitriny... Ny volana mey teo no nanaraka fiofanana teto Antananarivo izy 24 mianadahy tantsaha avy amin'ny fikambanana samihafa amin'ny Faritra miisa efatra eto amin'ny nosy. Nitohy tamin'ny fandraisan'anjara tamin'ny FIER MADA farany teo ny fiofanana.

Mifototra manokana amin'ny fampiroboroboana ny rojo-pihariana avy amin'ny ala ny andiany fahatelo farany amin'ny tetik'asa iarahan'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly sy ny FAO miasa amin'ny alalan'ny FFF na Farm and Forest Facility. Tanjon'ny tetik'asa ny ahafahan'ny mpamokatra miatrika ny fiovan'ny toetr'andro sy anatsarana ny fiveloman'ireo rafitra mpamokatra misehatra amin'ny ala sy ara-pambolena eto Madagasikara. Tetik'asa hifarana amin'ny taona 2025.

Faritra efatra eto amin'ny nosy no iasany, dia ny amin'ny Faritra Diana, Sofia, Analamanga, ary Atsinanana. Isan'ny vokatra andrasana ny hisian'ny tolo-kevitra momba ny rafitra ara-dalàna sy ara-politika mahasoa ny mpamokatra, fanamafisana ny fandraharahana sy ny fidirana amin'ny tsena sy ny fitaovana ara-bola.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...