Tsy tratra ny tanjona napetraka tamin'ilay drafi-pirenena ho fampandrosoana ny fambolem-bary na ny SNDR, tamin'ny taona 2016-2020. Tsy mihoatra ny 4% isan-taona ny tahan'ny famokarana eto amintsika, izay tsy mifanalavitra amin'ny tahan'ny fitombon'ny mponina, hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison Harifidy.

Maherin'ny 90%-n'ny mponina mipetraka any ambanivohitra dia mivelona amin'ny resaka fambolena avokoa, ary manao ny vary ho foto-tsakafo. Fanambin'i Madagasikara noho izany, ny hiady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hanatratra ilay tanjona ho sompitry ny Ranomasimbe Indianina sy hanondrana vary hatrany Afrika. Manana paik'ady mazava hiatrehana ny fampitomboam-bokatra ny fanjakana, araka ny fanazavan'ny Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana.

Isan'ny antony tsy nahatratrarana io tanjon'ny drafi-pirenena ho an'ny fambolem-bary na SNDR io, araka ny fanazavana, ny fitomboan'ny mponina, ny fahanteran'ireo fotondrafitr'asa famokarana, ny fiovaovan'ny toetry ny andro, ny fisian'ny valan'aretina maneran-tany, ny loza voajanahary...

Natao ny 12 mey 2022 lasa teo ny atrikasa fanavaozana sy fanatsarana ny drafi-pirenena fampandrosoana ny fambolem-bary. Nikarakara izany ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, niarahana tamin'ireo mpiara-miombona antoka toy ny JICA sy ny CARD.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...