Nahazo traik'efa amin'ny safidy atao amin'ny fikarohana momba ny famokarana masomboly vary ny tantsaha any amin'ny Faritra Atsimo Andrefana ao amin'ny lemak'i Bas-Mangoky nandritra ny taom-pambolena 2018-2019 momba ny famokarana ambioka na ny Tahiry nohatsaraina hiatrehana ny taom-pambolena manaraka.

0 : 00

Tokony hahavaly ny filàn'ny mpamoka-bary ny famokarana, ny fahazoana ary ny fahampian'ny masomboly nahazo fankatoavana avy amn'ny tompon'andraikitra misahana izany. Tsy maintsy mandray anjara amin'ny fifantenana ny karazam-bary mety aminy izy ireo mandritra ny fikarohana atao hitsirihany izay safidy izay. Izy ilay atao hoe fandraisana anjara amin'ny Safidy atao momba ny masomboly mety ho an'ny tantsaha mpamokatra na ny PVS.

Ho fiantohana ny fahavitan-tena ara-bary eto amintsika, miara-miombona antoka manampy ireo tantsaha hahatratra ny fanamby ny Africa Rice sy ny mpiara-miombona antoka aminy toa ny FOFIFA amin'ny alalan'ny tetik'asa iarahana amn'ny Fanjakana Malagasy ity.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...