Miray hina hampivoatra ny velon-tenan'ny vehivavy tantsaha any amin'ny Faritra Vakinankaratra ny vehvavy mivondrona anatin'ny fikambanana misehatra amin'ny asa fampandrosoana eny ambanivohitra ao amin'ny distrika Mandoto na ny FARM "Femme en Action Rurale de Madagascar" Vakinankaratra. Manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana izy ireo.

Nahatsapa ireo vehivavy ao Vakinankaratra ireo fa misy akony ratsy amin'ny famokarana ny fiovan'ny teo-tany noho ny fanimbana ny tontolo iainana. Fanimba ny tontolo iainana miteraka fiakaran'ny mari-pana, mampihena sy mampikorontana ny rotsak'orana. Nanentana sy nampianatra ireo vehvavy any amin'ny Faritra misy azy izy ireo hanamboatra arina fandrehitra namboarina avy amin'ny alalan'ny fakon-javatra na ny "charbon vert".

Vahaolana maharitra tsy hanimbana ny ala izany, azo atao isan'andro koa ary azo hampihenana ny fandaniana ao an-tokantrano amin'ny fifidianana arina fandrehitra hoy Ramatoa Andrianony Hanitra Seheno mpanentana sy mpitarika ny fikambanana. Kaominina miisa enina ao amin'ny distrika Mandoto no efa ahitana ireo vehivavy nianatra ary efa mampiahatra ny fanovana ny charbon vert.

Hitarina amin'ny distrika hafa any amin'ny Faritra hafa ny sehatr'asa. Olana nefa ny enti-manana hanatanterahana izany tanjona izany. Miezaka mamboly hazo ihany koa ny vehivavy mpikambana ao amin'ny FARM any Vakinankaratra ho fandrakofana ala indray ny any aminy. Miara-miasa amin'ny fitantanam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy izy ireo ka nahazo zanakazo 7 000 fototra.

Manana toerana famokarana zanakazo koa ary mikendry  hanitatra izany amin'ny toerana samihafa. Mavitrika amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny vehivavy anaty fikambanana, rehefa voaentana amin'ny maha sarobidy ny fiarovana ny tontolo iainana, isan'izany ny fambolen-kazo hoy Ramatoa Andrianony Hanitra Seheno.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...