Resy lahatra amin'ny maha zava-hehibe ny famokarana ara-biôlôjia, ireo tantsaha miara-miasa amin'ny fikambanana Tsiky Tsika, ato amin'ny Faritra Analamanga. Isan'izany Rabadaoro Tsimatahomanana, monina ao amin'ny Fokontany Soanavela, Kaominina Fihaonana, Disitrikan'Ankazobe.

Mikaroka, mamokatra ary manofana ny tantsaha amin'ny famokarana zezika kankana i Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Zezika biôlôjika iareharehany tokoa ny voka-tsoa azo avy aminy. Miavaka amin'ny famokarana zezika ataon'ny mpamokatra hafa ny teknika ampiasainy...

Voarafitra ankehitriny ny Paik'adim-pirenena ho an'ny fanofanana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra na ny SNFAR faharoa. Natolotra ny alatsinainy 10 jolay 2023 teny amin'ny Hotel Carlton Anosy ny paik'adim-pirenena 2023 hatramin'ny 2035 taorian'ny fankatoavan'ireo mpisehtra. Tamin'ny alalan'ny atrik'asa no nanolorana izany mba ahafahan'ny mpisehatra rehetra mahafantatra ny votoatiny sy tanjona kendrena aminy...

Manohy ny sehatr’asa fampandrosoana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ato amin’ny faritra Analamanga ny Fikambanna Tsiky’Tsika. Nampivondrona an’ireo tantsaha manodidina liana amin’ny ezaka ataon’ny  tantsaha mivodrona ao aminy indray ny fikambanana  nanomboka ny 28 Jona hatramin’ny 30 jona 2023 lasa teo...

[Miara-dàlana] Zoma 22 septambra 2023

♦ Nosokafana androany ary haharitra 3 andro ao Mahajanga ny fihaonan’ny fikambanana masina hivondronan’ny tokantrano kristianina avy amin’ny Arsidiôsezy Avaratra… ♦ Nifantoka tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ao amin’ny kolontsaina sy ny fampanaraham-bolontany ny Evanjely ny votoatin’ny katesizin’ny Papa François ny alarobia 20 septambra 2023… ♦ Nanomboka androany ny fitsidihana apôstôlika faha-44 ataon’ny Ray Masina any Marseille…

Tohiny...

Tsara ny Noely, raha...

Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...