Manan-karena amin'ny hazan-dranomasina sy hazan-dranomamy ny Faritra atsimo atsinanana saingy olana ho an'ny mpanjono madinika ny fahitàna lalam-barotra andefasana ny vokatra. Hita ao amin'ny Faritra atsimo atsinanana avokoa ny hazan-dranomasina fanondrana ary isan'ny manana ny kalitao tsara izy ireo. Ao no ahitana ny orantsimba na ny "langouste" tena tsara kalitao indrindra ka isan'ny ahondrana atsy La Réunion ny vokatra. Manan-karena patsabe sy patsamena ihany koa ity faritra ity...

Mila hamafisina ny fanohanana ny Faritra Atsimo-Atsinanana amin'ny ady atao amin'ny tsifanjarian-tsakafo. Nahazo vahana mantsy ny tsifanjarian-tsakafo mitarazoka sy ny mahery vaika taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza Batsiray sy ny Emnati hoy ny governoran'ny Faritra Dokotera Mahafaky Justin. Nahatratra 48,5% ny tahan'ny tsifanjarian-tsakafo mitarazoka ho an'ny zaza latsaky ny 5 taona talohan'ny fandalovan'ny rivo-doza. Niakatra manodidina ny 50% izany taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza araka ny fanazavany...

Mikaroka, mamokatra ary manofana ny tantsaha amin'ny famokarana zezika kankana i Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Zezika biôlôjika iareharehany tokoa ny voka-tsoa azo avy aminy. Miavaka amin'ny famokarana zezika ataon'ny mpamokatra hafa ny teknika ampiasainy...

Namolavola mari-pamantarana Label Soa Far ho an'ireo Foibem-panofanana mivondrona ao aminy ny tambazotra FARMADA. Miisa 13 ny ivon-toerana efa nisitraka izany. Nitondra anjara biriky lehibe amin'ny fanatsaràna ny kalitaom-pampiofanana atolotra ny tanora sy ny tantsaha hanabe voa ny famokarana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra teto amintsika ny Tambazotra FARMADA. Marika entina manavaka ny ivon-toeram-panofanana, izay mitondra fanatsaràna sy manavao ny rafitra ao aminy ny Label Soa Far...

[Miara-dàlana] Zoma 29 aogositra 2025

• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...