Ny aretina "bilarziôzy" dia aretina azo avy amin'ny kantsentsitra, miditra amin'ny maso-koditra, rehefa milona anaty rano, mety nisy sifotra ny olona iray. Misy karazany telo ny "bilarziôzy" arakaraky ny kantsentsitra tafiditra ao amin'ny olon iray, amin'ny alalan'ny maso-koditra dia : ireo manafitaka ny tsinay, ny faharoa dia ireo manafika ny tatavy ary ny farany dia ireo mahazo ny tsinay sy ny atidoha. 24 ora hatramin'ny 18 herinandro aorian'ny nirobohany rano ka tsy nanasa tongotra na nandro dia mety hare mangidihidy sy malailay, ilay olona, manavy, marary ny vanin-taolana... Ny "bilarziôzy" dia mety hijanona ao amin'ny olona iray mandritra ny 15 hatramin'ny 20 taona. Ho fisorohana io aretina dia tokony hanaja ny fahadiovana ny rehetra...

[Miara-dalana] Zoma 26 mey 2023

♦ Ankalazaina ny 27 mey 2023, ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie, Jean Marie Vianney, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga, iombonan'ny Arsidiôsezy Atsinanana... ♦ Nanatanteraka fiofanana tao anatin'ny telo andro tao Befotaka, ireo Kômity mpanatanteraka, Diôsezin'Ambanja MDMK-CVX... ♦ Nitombo iray indray ny isan'ny fiangonana iandraiketan'ny fikambanan'ny Pretra Karma any amin'ny Diôsezin'i Moramanga...

Tohiny...

Tsara ny Noely, raha...

Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...