Tsy tokony hisy kantsentsitra hivelona ao anatin'ny olombelona. Rehefa betsaka loatra ireo kankana ao anatin'ny olombelona iray dia mety hanentsina ny lalan-kanina, vavony, aty, tsinay. Ireo fambara : mihamahia, marary kibo matetika, mety mitarika tsy fahampian-dra, mangidihidy ny lava-body. Ny kankana dia azo avy amin'ny tanana maloto, sakafo tsy voadio tsara na amin'ny fitaovam-pihinanana maloto, mety ho avy amin'ny rano nosotroina na nirobohana ihany koa ny kankana. Ny kankana dia mety ho tafiditra avy any am-bava na amin'ny alalan'ny maso-koditra...

Manan-danja lehibe ary tsy maintsy ilain'ny vatan'olombelona iray, mitovy amin'ny rano sy ny sakafo, ny torimaso. Misy fihatraikany ratsy ho an'ny fahasalamana ny tsy fahampian'ny torimaso. Ny faharetan'ny torimaso dia miankina amin'ny toe-batan'ny olombelona iray sy ny asa ataony. Ny zaza 0-3 volana dia maharitra 14-17 ora ny torimasony ; ny ankizy 6-13 taona dia 9-11 ora ; ny tanora 14-17 taona dia 8-10 ora, ary ny olon-dehibe 26-64 taona dia 7 ora hatramin'ny 9 ora ny faharetan'ny torimasony.  Rehefa mitombo ny taonan'ny olombelona iray dia miha-antitra koa ny ao anaty atidoha ary misy fihatraikany amin'ny torimaso.

Ny pesta dia aretin'ny voalavo mifindra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitry ny parasy, na amin'ny alalan'ny piti-droran'ireo olona mararin'ny pesta, na amin'ny alalan'ny fikirakirana ireo biby mitondra ny aretina na mararin'ny pesta. Ny vanim-potoana mampirongatra ny pesta dia eo anelanelan'ny volana avrily hatramin'ny desambra anefa mety hitranga mandavan-taona ihany. Ny pesta atoditarimo dia mihombo ao anatin'ny 1 hatramin'ny 7 andro, ny pesta areti-tratra dia mety ho ao anatin'ny 24ora, ary ny pesta septisemika dia fotoana fohy. Fisorohana : fanadiovana ny manodidina, sy manoana voalavo. Ny aretina pesta dia aretina tsy maintsy ambara...

Tsy fahampian'ny hery sy ny vitrika ara-batana na ara-tsaina no atao hoe havizanana. Tsy azo atao antsirambina ny havizanana. Tsy midika ho hakamoana ny havizanana ary tsy maintsy fantarina ny antony mahatonga azy raha vao misy olona mitaraina ho vizana. Mety mahazo ny sokajin-taona rehetra izy, mety mahazo ny vatana na ny saina ary mety ho miaraka vizana ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...