Ny "aphte" dia aretin'ny ati-vava, fery tsy lalina, tsy mandeha ra, tsy mamindra. Ny faritra mety hisy azy : lela, atin'ny takolaka, ankanjo-nify, lanilany, ati-tenda ; ny endriny dia boribory mavo na volon-davenona, voadidina mena. Ireo antony mahatonga azy : ati-vava voakitika matetika, vokatry ny fampiasana anesthésie, ny fihinanana sakafo mamay loatra, fampiasana borosy-nify mahery loatra, reraka, tratran'ny hitakitaka, fikorontanan'ny tsirim-panentana, tsy fahazakana fanafody. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Ny mialohan'ny diabeta dia tsy misy fambara mazava ho an'ireo olona manana olana diabeta sokajy faharoa (type II), izay 5 hatramin'ny 10 taona eo ny fihomboany. Ny "pré-diabète" dia amin'ny alalan'ny fitiliana no hamantarana azy ; ireto misy tokony ho fantatra : ny voalohany manao "glicemie à jeûne" tsy misakafo ao anatin'ny 8ora ka [1,10g/l - 1,25g/l] na [6,1mmol/l - 7,1mmol/l ] ny taha, ny faharoa fitiliana "intolerance au glucose". Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Ny raboka dia mbola misy ary betsaka ny olona matin'ity aretina ity. Ny raboka dia misy foana mandavantaona, avy amin'ny fidiran'ny otrik'atetina BK no iavian'ny aretina. Misy ny karazanà raboka mpahazo ny olona ary misy ireo mankarary ny omby. Ny avokavoka no tena taova matetika tafian'ity aretina ity. Mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora, na rehoky ny marary. Ny fihotrehany ao amin'ny olona dia 4 hatrmin'ny 12 herinandro. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Ny siatika dia aretin'ny hazon-damosina, ka ny retsika ao anatin'ny tsokan'ny hazon-damosona no tratry ny tsy fahasalamana, indrandra ny faritra ambanin'ny hazon-damosina. Ny asan'io retsika io dia miantoka ny fandrenesan'ny tapany ambany amin'ny olombelona. Ny olona 22 taona no miakatra no mety harary siatiaka ; antony : fahanteran'ny hazon-damosina, dona am-boina, miraikitra ny hazon-damosina, tsimok'aretina na otrik'aretina, homamiadana, raritsaina... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco