Ny vato : vato madinika miforona manentsina ny fantson'amany. Rehefa mafana toy izao ny andro dia misy ny tsy fahampian-drano amin'ny olombelona izay mora mampiforona ny vato. Ny tsy fahampian-tsakafo na tsy fahanjarian-tsakafo dia isany antony mampiforona ny vato. Tranga mety hiseho : marary ny lanivoho, misy rà kely ny fivalanan-drano ary manaintaina...
Manerantany dia 120.000.000 ny olona voan'ny aretina ongobe na bongabe, amin'ireto faritra ireto no tena ahitàna azy, afrika, asia, amerika afovoany sy atsimo. Eto Madagasikara dia ditsrika 104 no ahitana azy, ary hanaovan'ny ministera hetsika fanentanana. Ny atao hoe ongobe na bongabe dia fivontosan'ny tongotra, na ny hankasarotana na eo amin'ny nono. Kankana mitombo sy manentsina ny lalan-drà no mahatonga ny fivontosana ary mifindra amin'ny alalan'ny kaikitry ny moka...
Ny fahasalamana ara-tsaina: mamaritra ny fahasalamana mihitsy izany hoe ny olona tsirairay dia voakasika, miankina amin'ny tontolo manodidina, fiaraha-monina, ara-tsôsialy, ny toe-po, ara-biôlôjika. Tokony ferana ny fotoana hijerena vaovao miteraka tahotra sy tebiteby, ohatra ny antontanisa mikasika ny Covid-19...
Betsaka ny olona tratry ny fahatapahan'ny lalan-dra, tsy mifidy taona intsony ankehitriny. Misy karazany roa ny trangan'aretina mikasika lalan-dra: ♦Tsentsina ny lalan-dra any amin'ny faritry ny loha... ♦ 20% tapaka lalan-dra mihitsy...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco