♦ Fitsaboana matianina :  fitsaboana mampiasa fitaovana manana kalitao tsara, tantanin'ny mpitsabo manao fiofanana isam-bolana, ary mampiasa fanafody tsara kalitao... ♦ Fanafody tsara kalitao : vita fanandramana sy fanaraha-maso araka ny fenitra erôpeana, tsy miova endrika, tsiro...

Ny vato : vato madinika miforona manentsina ny fantson'amany. Rehefa mafana toy izao ny andro dia misy ny tsy fahampian-drano amin'ny olombelona izay mora mampiforona ny vato. Ny tsy fahampian-tsakafo na tsy fahanjarian-tsakafo dia isany antony mampiforona ny vato. Tranga mety hiseho : marary ny lanivoho, misy rà kely ny fivalanan-drano ary manaintaina...

Manerantany dia 120.000.000 ny olona voan'ny aretina ongobe na bongabe, amin'ireto faritra ireto no tena ahitàna azy, afrika, asia, amerika afovoany sy atsimo. Eto Madagasikara dia ditsrika 104 no ahitana azy, ary hanaovan'ny ministera hetsika fanentanana. Ny atao hoe ongobe na bongabe dia fivontosan'ny tongotra, na ny hankasarotana na eo amin'ny nono. Kankana mitombo sy manentsina ny lalan-drà no mahatonga ny fivontosana ary mifindra amin'ny alalan'ny kaikitry ny moka... 

Ny fahasalamana ara-tsaina: mamaritra ny fahasalamana mihitsy izany hoe ny olona tsirairay dia voakasika, miankina amin'ny tontolo manodidina, fiaraha-monina, ara-tsôsialy, ny toe-po, ara-biôlôjika. Tokony ferana ny fotoana hijerena vaovao miteraka tahotra sy tebiteby, ohatra ny antontanisa mikasika ny Covid-19... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...