Ny fandaharana dia manana tanjona mba ha-olom-banona ny mpihaino, tsara noho izany aza dia ny hoe "olom-banona sy kristiana". Hita tamin'ireny fitsenana ny Ekipam-pirenena Barean'i Madagasikara ireny fa mbola ao amin'ny Malagasy ny firaisan-kina, fifanajàna, fihavanana, mbola azo ampiarina amin'ny lafin-javatra maro ireny soatoavina ireny. Ny finiavana sy ny fitiavana dia fototra afahana mampandroso, indrindra raha tsara ny safidy miampy ny talenta... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mibaribary toa ny tafika an-drefan-tanàna ankehitriny ny anjara toerana sy ny andraikitry ny vehivavy tantsaha amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, izy ireo izay mandray anjara amin'ny fiantohana ara-tsakafo sy ny fampihenana ny fahantrana. Misehatra amin'ny asa famokarana sakafo mantsy ny vehivavyary isan'ny miantoka ny sakafo jifain'ny fiaraha-monina misy azy...

Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny saina tia karokaroka, saina liam-baovao na ny “curiosité”. Anisan’ny ampinga iray manampy ny olona iray izany mba hitombony, amin’ny maha-olona azy, hampihitatra ny fahaizany eo amin’ny sehatry ny fianarana, ny asa, ny fiaraha-monina, ny fikarohana, ny tontolo iainana ary ny fiainana ara-panahy sy ny fomba fisainana. Noho izany dia fitaovana manan-danja izy eo amin’ny maha-olona ary misy ny fitaizana sy fikolokolona azy mba ampivelatra sy ampiasaina azy tsara... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Manohana ny fiarovana ny ala honko ao amin’ny faritr’i Sofia ny fahefana eo anivon’ny faritra sy ny any amin’ny kaominina. Raharaham-panjakàna ny fiarovana ny tontolo iainana araka ny nambaran’Andriamatoa Fidèle Emilson, tale misahana ny fotodrafitr’asa sy ny falmpandrosoana na ny DID ao amin’ny faritr’i Sofia, sady filoha lefitry ny vovonana hoan’ny fitantanana ny faritra arovana na ny P.F.Gap Avarabe Lovainjafy izay ivondronan’ny faritra Sofia, Diana, Sava, Analanjirofo ary Boeny. Manaporofo izany hoy izy ny fametrahana io rafitra io...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...