Ny Misterin'ny Trinite Masina no Mistery foiben'ny finoana sy ny fiainana kristiana, Andriamanitra irery ihany no afaka hanome antsika ny fahalalana amin'ny fanambarany ny Tenany ho Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Andriamanitra Ray dia Mpahary, ny fahariana an'izao tontolo izao sy ny olombelona no voalohany nanambaran'Andriamanitra sy ho an'ny rehetra ny fitiavany mahefa ny zavatra rehetra...  Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

24 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 49-53)

Tsapa miharihary eo amin'ny fiainana kristiana fa arakaraky ny fanekentsika ny fahasoavana no hitombon'ny fahavononantsika hiatrika fisedrana. Mifikirà tanteraka amin'Andriamanitra fa ny fifikirana amin'Andriamanitra dia ahazoana fahasoavana vavaka. Ny fahasoavana no mampiray antsika amin'i Kristy sy mankahery antsika. Amin'ny alalan'ny fahasoavana no hanabeazan'ny Fanahy Masina antsika...  Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

23 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 39-48)

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...