Mila ny fiainam-piaraha-monina ny olombelona, efa voajanahary izany. Eo amin'ny fiainam-piaraha-monina no hahitana ny fifampizarana amin'ny hafa, fifanampiana amin'ny asa ary ny fifanankalozan-kevitra. Ny sehatra ahafahana mampivelatra ny talenta dia ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 30 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 1-8

Manana adidy ny olom-pirenena ka isan'ireny ny fijorona ho olon'afaka izany hoe miara-miasa amin'ny saina mahitsy. Ny olom-pirenena dia afaka mifanoro ary mifananatra araka ny hitsiny sy ny marina. Adidy miandry ny olom-pirenena ny fanalavirana ny fanararaotam-pahefana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alarobia 29 jona 2022 — Masindahy Piera sy Paoly — Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...