Mamaha krizy fotsiny ve ny mpitondra fanjakàna?. Hoy ny Papa François : "tsy mpamaha krisy fotsiny no andraikitry ny mpitondra fanjakàna fa natao hamoron-javatra hikendrena ny soa iombonana". Ny asa momba ny politika dia manome ny vahaolana rehetra takian'ny olana maro lafy ary tsy maintsy mikendry tombontsoa iraisana. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
26 jolay — Ray aman-drenin’i Masina Maria ireto olomasina resahana androany ireto. Ho an’ny tandrefana dia ny 26 jolay no fahatsiarovana azy fa ny tatsinanana kosa dia matsiaro azy ireo ny 09 septambra. Ny Evanjely apokrifa an’i Masindahy Jacques no ahitana ny tantaran’ireo.
Manana adidy ny mpino haneho hevitra, manoloana ireo fombam-pitantana, tsy ahitana ny taratry ny maha-kristiana, indrindra ny ara-moraly, izany hoe endrim-pitantanana "jadona" . Ny jadona dia : tsy refesimandidy. Ny tantara no nampianatra antsika ny hoe "jadona" satria ireo nahazo ny fitondrana na fahefana ary mampiasa ny jadona mba hifehezana ny tany sy ny firenena. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Talata 26 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 36-43
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco