Fanabeazana maha-olona no atao fa tsy sanatria fibaikoana biby. Koa raha manao adalana izy dia aoka ho ampahafantarina azy ny hadisoany : ampianaro handinika izy ; atoroy azy ny lala-mahitsy tokony hizorany ; hajao koa anefa ny safidy maha-olona azy satria ao anatin'ny fahafahana no maha hendry ny olombelona fa tsy ao anatin'ny fangejàna. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Zoma 16 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 1-3
15 septambra — Tamin’ny taonjato fahairaika ambin’ny folo no nahitana voalohany sy ny fahatsiarovana an’i Masina Maria vonton’alahelo. Hita tamin’ny asa sotratr’i Pierre Damien sy Masindahy Anselme izany. Ny fijalian’i Masina Maria teo an-tongotry ny hazofijaliana dia namelombelona ny fitiavam-bavaky ny kristianina hatramin’ny taonjato fahadimy ambin’ny folo.
Ny mifampiresaka sy mifanakalo hevitra ombieny ombieny no tsara indrindra atao amin'ny zanaka lahy, fa tsy dia fananarana ara-moraly diso tafahoatra na fandidiana tsotra izao tsy hivoaka ny trano, na fandraràna tsy hiaraka amin'ny zanaky ny manodidina. Mila mitandrina tsara tsara ny ray aman-dreny fa famolavolana tovolahy ho raim-pianakaviana no atao. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco